Fantaro i Jean Narivony (2024)

Rajaonarivony no tena anarana diam-penin'ny Poety antsoina hoe JEANNARIVONY. Teraka tao Andrefandrova Antananarivo izy tamin'ny 17septambra 1898 ary maty tamin'ny 15 jona 1980. Rajaonary Jamesavyao Masindray Ambohimanambola, atsinanan'Antananarivo, no rainy.Rasoarivony kosa no anaran'ny reniny,mpampianatra sy mpanabe.Rasoazananoro Marie-Cécile avy aoFenoarivo, andrefan'nyrenivohitr'i Madagasikara, no anaran'nyvadiny ka nahazoan'izymivady zanaka dimy:roa lahy sy telo vavy. Mpanjaitra no asany.

Araka ny fanazavan'ny zafiafiny(1)diasaika nanamaloka ny fizotran'ny fangataham-bady ny tsy fitovian'nyfnoana teo amin'ny roa tonta. Katolika jezoita RasoazananoroMarie-Cécile ary protestanta i Jean Narivony. Tontosa soa aman-tsaraanefa ny fanambadiana rehefa nohamasinina tamin'ny fivavahanairaisam-pinoana.

Mbola nifikitra tamin'ny hasin'nyfirazanana ny Malagasy tamin'ny fotoan'androny. Andriana mantsy Ramatoavadiny, taranaka Jakimena. Nisinda anefa ny sakana noho nyfahitan'ny fianakaviana ankilany ny fari-pahaizana nananan'i JeanNarivony, dia ny maha mpampianatra sy poeta azy. Niainan'izy mivady moany fifandeferana ary vao mainka nanamafy ny fifankatiavan'izy ireo azaizany tsy fitovian'ny firazanana izany.

FAHAZAZANY
Azo lazaina ho nilomano tao amparihin'ny literatiora izy hatramin'nyfahakeliny satria mpanoratra Rajaonary James rainy,namorona irenyhiraprotestanta ireny, hany ka nahafahan'i Jean Narivonynifanerasera tamin'ny mpanoratra malaza tamin'ny fotoan'androny. Nyzokiny lahy, Jean Narisson, izay maty tany an-tsesitany noho nyraharaha VVS, dia poety ihany koa. Ary zovy amintsika moa no tsymahafantatra ny mpanoratra fanta-daza Ratsimiseta Jasmina sy Rodlishizay samy dadatoany ary samy namoha ny aingam-panahiny?

SEKOLYNANDRANTOANY FAHALALANA
Ankoatra ny lanjan'ny haisoratra teo anivon'ny fianakaviany dia mbolahainynohatevenina izany tany tamin'ny sekolim-panjakana sysekolim-pinoana nandrantoany fahalalana, ka nahafahany nifaneraseratamin'ny mpanoratra sy mpandahateny toa an-dry G. Mondain, E. Groult,Andrianaivoravelona, Ramambazafy V., Rajaonarivelo Auguste.

Tao Avaratra Andohalo Antananarivo no nobeazina i Jean Narivony, naizany aza dia maro ireo sekoly nandrantoany fahalalana:

  • Ecole supérieure indigène Ambohijatovo Avaratra
  • Ecole régionale Farafangana
  • Sekoly Paul Minault Ambatonakanga
  • Ecole Normale Protestante Ambavahadimitafo

Manana ny mari-pahaizana CAE/EB i Jean Narivony.

ASAAMAN-DRAHARAHANY
Mpampianatra nandritra ny 35taona i Jean Narivony ary nanombokaizany tao Ambohijatovo Avaratra Antananarivo nandritra ny 10 taona.Tamin'ny 1930 izy no voatendry hampianatra tany amin'ny MPF (MisionaProtestanta Frantsay) Fenoarivo Atsinanana. Izy irery no mpampianatratany Fenoarivo Atsinanana nandritra ny 25 taona ka nitazonany ny kilasyCP1, CP2, CE1 ary ny CE2. Izy rahateo araka izany no talen'ny sekoly.Raha 87 ny isan'ny mpianany tany am-piandohany dia tafakatra 252 izanytamin'ny 1955 kanefa ny efitrano fianarana dia tsy mba nihalehibe akoryary zara aza raha nahazoana mpampianatra mpanampy indraindray. Marihinafa anisan'ireo efa nampianarin'i Jean Narivony tany FenoarivoAtsinanana ny Pôety Clarisse Ratsifandrihamanana.

Nikoriana tao anatin'ny rany mihitsy ny fitiavana ny fampianarana hanyka tsy nikely soroka izy, ankoatra ireo kilasy notazoniny andavanandro,nampianatra an'ireo hiatrika fifaninanana amin'ny sekoly fanofananampiasam-panjakana natao manerana ny Nosy ary nahazoany vokatranahafa-po. Anisan'ny fahombiazany koa ny nahazoan'ny mpianany iray nydiplaoma CEPE. Tsy natolotry ny sekoly anefa io mpianatra io satria nyCEPE dia mbola fanadinana natokana ho an'ny sekoly eraopeanina. Iofahombiazana io izay tsy an'iza fa an'ny zanany vaviaivo, renin'nympanakanto Gothlieb, dia namoha varavarana ho an'ny sekoly kanahafahanynanolotra mpiadina ho amin'io fanadianana io.Nankatoavin'ny Fanjakana mantsy nanomboka hatreo ny haavon'nyfari-pahaizana tao amin'ity sekoly ity. Tsy mahagaga izany satrianahafolaka tsara ny teny malagasy sy ny teny frantsay i Jean Narivonyfa tsy arakaraka ny naha mpanohitra ny fanjanahantany azy tamin'nyraharaha 1947. Porofon'izany ny toriteny nataony tamin'ny teny frantsaytamin'ny fankalazana ny fetin'i Jeanne d'Arc sy ny fahatsiarovana ny"Armistices" natrehin'ny Administratera. Mbola izy ihany koa nonanomana ny kabarin'ny Governora tamin'ny lanonam-panjakana lehibe iraytany an-toerana.


POETYMPAMPIANATRA
Hain'i Jean Narivony ny mampifandrindra ny tontolon'ny fampianarana syny fanabeazana amin'ny haisoratra satria ao amin’ireo tononkalony izyno maneho fananarana ary manainga ny ankizy sy ny tanora hanaja nymaha-olona azy ireo, mankatoa Ray aman-dReny, manaja raiamandreny,mitandro ny hasin'ny zava-boahary, ho tia tanindrazana. Mora raisinaireny tononkalo ireny ary voarakitra anaty andinin-teny tsotra sy fohy.
I Jean Narivony no anisan'ireo mpanoratra vitsy an'isa nitodika tanyamin'ny ankizy sy tanora ary niarahany nitantana ny revio "Sakaizan'ny tanora" ("Sakaizan'nyankizy" tany am-piandohany - 1860) tamin'ny Pasitera Ravelojaona syCharles Rajoelisolo.

NYSANGANASANY
Nanomboka nanoratra izy tamin'ny 1918 ary voarakitra ao amin'ny gazetymaro ireo asasorany: Ranovelona, Ny Fandrosoam-baovao, NyMpandinika... Taty aoriana indray dia tafiditra tamin'nybokim-pianarana ny tononkalony toy ny FaryMamy kilasy fahatelo ("Tebiteby" - tak 74), Lahatsoratra Voafantina ("Ny diako"- tak 4, "Ny kipikipy zato sy ny voron-tsara dia" - tak 23, "Nytanantsika" - tak 46...), TakelakaNotsongaina I ("Iny Ankaratra iny" - tak 68, "Ampamoizamaso" -tak 97, "Hariva" - tak 99, "Ato no mandry" - tak 135), Tononkalo sy Lahatsoratra, Amboara 2, Boky 1izay ahitana tononkalo 26.

Boky aman-gazetyniarahany tamin'ny mpanoratra hafa
- 1920: "Akon'Iarivo",niarahany nanatontosa tamin'i Ny Avana Ramanantoanina sy Bolesparatamin'ny gazety .
- 1920: "Ny Mpandinika",niarahany niasa tamin'i Franco tao amin'ny gazety. Nampiasa ny anaranadiam-penina J. Venus izy.
- 1926: "Amboara voafantina",bokim-poezia niarahany namoakatamin'i Rodlish dadatoany.
- 1926: "Takariva Volafotsy",niarahany nanoratra tamin'i Lys Ber sy Ny Ando.
- 1929: "Kalokalo tatsinanana",bokin-tononkalo notsongaina, niarahany tamin'i Samuel Ratany, Ny AvanaRamanantoanina, Ignace Ratsimbazafy, J.J. Rabearivelo, Lusio B., FredyRajaofera, Meteora, Josefa Rajaonah, Eliza-Freda, Rafanoharana aryRodlish.
- 1929: "Firaketana",Rakipahalalana nifarimbonany tamin-dRajaonah.

Bokiny manokana
- "Ny protestantisma sy ny sekoly",nosoratan'i Jean Narivony ho an'ny jobilin'ny sekoly M.P.F. taoFenoarivo Atsinanana 1907-1957, natontan'ny Imprimerie Volamahitsy taoFenoarivo Atsinanana tamin'ny 1957.
- "Kofehy volamena"
- "Feom-baliha":tononkira niventesana an-dRasalama maritiora, ho fahatsiarovana nyfahazato taonany (14 aogositra 1837 - 14 aogositra 1937), nivoakatamin'ny 1937.
- "Amboaran-tononkalo",1966. Antananarivo: Edisiona Salohy. Boky ahitana tononkalo maromaronatao ho vavolombelona no sady tsangambaton'ny ady nataon'ny mpanoratraho an'ny tenin-drazana, izay mirakitra ny toe-tsaina malagasy indrindratamin'ny androny.

Tantara an-dampy
- "Andry boboka"
- "Navoakan'ny fasana".

KRISTIANINAMAFANA FO

Efa voalaza tetsyam-piandohana moa fa mpamoron-kiram-piangonana protestanta ny rainy.Nobeazina tamin'ny finoana tokoa izy mpiraitam-po, hany ka azo lazainaho tafaroboka lalina tao an-tsahan'ny finoana an'Andriamanitra i JeanNarivony. Katolika avy tao Fenoarivo Antananarivo ny reniny saingynivadika protestanta tao aorian'ny fanambadiana ary lasa dorkasy mafanafo sy mpampianatra sekoly alahady.
Mamy hoditra tao Fenoarivo Atsinanana i Jean Narivony ary nohajahajainatokoa na teo anivon'ny fiangonana na tamin'ny tontolon'ny fampianaranaeny fa na dia teo amin'ny fiainana andavanandro mihitsy aza. Ramose Be rahateo moa no fiantson'nyolona azy tany.

Katekista

tao Fenoarivo Atsinanana i JeanNarivonyaryazo lazaina ho nandova an-drainy tokoa izy teo amin'ny famoronan-kirakristianina. Ireny hira faneva na fankalazana tsingerintaona ireny nonahalalana azy. Izy indrindra no namorona ilay hira protestantafantatry ny maro hoe: "Endrey izanyhafaliana".Io hira ao amin'ny Fihirana FFPM faha 545 io dia nosoratany noho nyfankalazana ny faha 150 taona nidiran'ny Filazantsara teto Madagasikara(Jereo ny andinindininy etsy ambany). Mbola izy ihany koa no namoronany hira FFPM faha 213 "Ry Fanahymangetaheta", hira fanevan'ny Fikambanana Mampiely BaibolyMalagasy (FMBM).
Ary efa voalaza teo moa ireto boky manokana nosoratany momba nyfinoana ireto: "Ny protestantisma syny sekoly" (hira jobily) sy ny "Feom-baliha"(fahazato taonan-dRasalama Maritiora).


TARAKEVITRYNY TONONKALONY

Mirakitra fananarana, hoyisika tetsy ambony, ny tononkalony, toy ireny fahita amin'nysanganasan'i Jean de la Fontaine ireny, ohatra ny "Ry rarin'nymatanjaka" (La rasion du plus fort est toujours la meilleure, Jean deLa Fontaine). Toy izany koa ny fahaizana maka lesona avy amin'nyhasoan'ny zavaboahary (Amboa sy Amboadia). Maro tamin'ny "Fable de laFontaine" aza no hainy tsianjery. Ny fahafolahany ny tenyfrantsaymoa no nahafahany nandika amin'ny teny malagasy nysanganasan'i Molière hoe: "Le malade imaginaire".

Mampiainga ny fanahin'i Jean Narivony ny tontolo jineriny sy reny, enyfa na dia hatramin'izay heverina ho bitika aza kanefa ahavitany asakanto sy mavesa-danja. Anisan'ny lohahevitra taratra amin'ny asasoranyny alahelo noho ny fahabangana toy ny fahafatesana (Ato no mandry),embona sy hanina (Iny Ankaratra iny), hanina noho ny nahafoizana nyhavana ilaozana (Ampamoizamaso), ny fihaonana (Ny tia sy ny manina), nyherim-po (Mpiasa tany), ny olombelona (Ny tanantsika ity), ny fitiavana(Firaisana mampanahy), ny fomba amam-panao (Rajakom-bazaha), nytenindrazana (Ny Tenindrazako), ny zavaboahary (Amoron-dranomasina).

Ahafantarana azy ireny tononkalo diso hain'ny ankizy tsianjery anyan-tsekoly ireny, ianarana any amin'ny ambaratonga ambany: CE1 kahatramin'ny CM2.
—————————
Nanovozan-kevitra
* Boky
- Ranaivoson Dominique. 2004. "Dictionnaire historique de Madagascar",Antananarivo: Tsipika

-Andrianaly Rakotomahefa J. Odette M. J. L sy Rakotonirina RobinsonJuliette Aimée. 2001."Lovako T6". Antananarivo. EdisionaAmbozontany- Analamahitsy

- FFPM (Fiombonan'ny FiangonanaProtestanta eto Madagasikara). 1987. "Fihirana", Antananarivo

- Ministeran'nyFanabeazam-pirenena, 1975. "Tononkalo sy Lahatsoratra, Amboara 2, Boky1", Antananarivo: Imprimerie Nationale.
- Rabemolaly Fanomezana, Ramiliarison Henri, Ravalitera Nalisoa Jean,Ravelomanana Hermann. 1973. "Fary Mamy, kilasy fahatelo", Antananarivo:Salohy, Trano Printy Loterana.
- Siméon Rajaona. 1962. "Takelaka Notsongaina I Tononkalo",Antananarivo: Imprimerie Nationale.

- Prosper Rajaobelina. 1958."Lahatsoratra Voafantina", Antananarivo: Trano Printy Loterana.

* Tranonkala
http://jean-narivony.wifeo.com/
http://vetso.serasera.org/mpanoratra/jean-narivony

*

Fanampiana ara-kevitraavy amin'ny zafikelin'i Jean Narivony

- Bodovoahirana Andriamasinoro
- Ndrema Andriamasinoro
- Harinaivo Randriamasinoro (Gothlieb)
- Naivotiana Ravalison Raboana


FISAORANA

Isaorana ireo rehetra nanometanana ka nahatontosana an'ity "Fantaro i..." an'i Jean Narivony ity.Ankoatra ireo mpikambana mavitriky ny Pôetawebs dia singanina manokanaireo zafikelin'i Jean Narivony efatra izay notezain'ity andrarezin'nypoezia malagasy ity. Izy ireo mantsy dia vavolombelona ary nizaraam-pitiavana sy namaly an'ireo fanontaniana tsy nahitam-baliny taoanatin'ireny tahirin-kevitra mety efa ho fantatry ny besinimaro ireny.


Toetra Ràja————————————————
INY ANKARATRA INY

Iny Ankaratra iny mantsy,
Raha tazanina maraina,
Toa manaitra sy mihantsy
'Zany vetsovetson-tsaina.
Eny, mampamelovelo
Ka mamoha alahelo.

Iny Ankaratra iny lahy
Raha atrehina antoandro,
Mahavonto ny fanahy,
Sady mampihandrohandro;
Hanin-kavana tsy hita
No tsaroana te-hiampita.

Iny Ankaratra iny, roy,
Raha tsinjovina hariva,
Ranomaso te-hijoy
No manomotra, madiva,
Fa iarahana mijery,
Ka manohina ny fery.

Iny Ankaratra iny manko,
Raha malo-tsy misava,
Ka midona sy manako
Na mijojo eri-dava,
Misy zavatra tsaroana
Mahafenofeno foana.

O! ry ilay Ankaratra iny
'Zay fihaoana am-panahy,
Ny iriko sy iriny
Dia ny samy hahatsiahy.
Raha izany, matokia
Fa mitohy ny fitia!

Jean Narivony
In "Kalokalo Tatsinanana", tak 35

————————————————
TAKARIVA

Tazanina iry vodilanitramavo,
'Zay hany mba tratry ny masovoafetra.
Jerena ny lavitramanjavozavo,
Ka ory ny saina, ny vavamitsetra.

Manidina irony tsirirymihoatra,
Mamela veloma ombienyombieny;
Ny tany hodiany tsy fantatraloatra,
Kanefa ny saiko dialasan'ireny!

Ny raho-madinika miara-misosa
Finaoky ny rivotramamelovelo,
Manaitra ny fo ao anatikokosa
Hamoaka ny sento fambaraalahelo.

Ireo voronkely mamonjyfodiana
Dia samy mikalo ny hiranymamy;
Izahoko irery no befahoriana,
Toa fendrofendroin'ity alinatamy.

Ny masoko revo mitazanaihany,
Manitsy ilay toerana mbolahodiako.
Iarivo malala tsy roaaman-tany,
'Lay tany fonenan'ny olonatiako!

Tandrifin'ireo foto-kazomaniry,
Ambanin'ilay raho-menamiloko,
Ankoatr'iry dongona iraymakadiry
No misy ilay Jerosaleman'nyfoko!

Iarivo nilaozana nefatsaroana,
Ka dia mampanembona atyandakira,
No dia mampiloatra nysentoko foana,
Dia sento mitambatra hotonon-kira!

Jean Narivony

————————————————
ENDREY IZANYHAFALIANA

Raha ny marina dia ny tononkirano noforonin'i Jean Narivony araka ny hita ao amin'ny TIONA FFPM 545izay sady hira fanevan'ny faha 150 taona nidiran'ny Filazantsara tetoMadagasikara no hira fanevan'ny nitsanganan'ny FJKM tamin'ny 1968.

Ny alahady 18 Aogositra 1968 no niorina araka ny fanambaran'ny Synodalehibe voalohany tao Manangareza Toamasina ny F.J.K.M. fa rahaara-panjakana dia ny hitsivolana 62-117 ny 1 oktobra 1962 no mifehyizany. Fotoana fahatsiarovana ny faha 150 taona nidiran'ny Misionera iofotoana io. Nanatrika tao ny solontenan'ny fitondram-panjakana. Tianany manamarika fa Fiangonana 3 no mivondrona ao anatin'ny F.J.K.M. dia:

- ny FFM (Fiangonana Frenjy eto Madagasikara)
- ny FPM (Fiangonana ara-Pilazantsara Malagasy)
- ny FKM (Fiangonan'i Kristy eto Madagasikara)

Nambara tao amin'ny Fiangonana Tranovato Toamasina ny faharavan'ireoFiangonana 3 ireo ary niarahana nanambara kosa ny fijoroan'ny F.J.K.M.

Marihina fa nanatrika tao koa ny Pôety Jean Narivony. Mampiavaka an'ityhira faneva ity ny fivavahana ho an'ny fitambaran'ny fiangonana mba tsyhizarazara ka nohamafisina tao amin'ny andininy fahatelo manao hoe:

"Ny Fiangonanao angony,
Fanahy ô ho tena iray
Ka tsy hizarazara intsony
Fa ianao no mampiray.
Dia ho fanasina, fanilo,
Ho an'izao tontolo izao;
Hijoro, tsy handraraka ilo,
Hitafy toetra vaovao."

Herinandro taty aoriana, ny alahady 25 Aogositra 1968, dia nisyfanompoam-pivavahana lehibe teo amin'ny kianjan'ny MahamasinaAntananarivo. Nanatrika tao ny filoha Philibert Tsiranana. Teo ihanykoa ireo masoivoho vahiny samihafa. Ny masoivoho Anglisy sy Amerikaninadia nanao kabary tamin'ny teny malagasy ary nahazo sitraka tamin'nympanatrika. Ny masoivoho Frantsay kosa dia nanao lahateny tamin'ny tenyfrantsay ary nisedra ny horakoraky ny vahoaka. Tamin'izay dia tsynahazo taratasy fanekena fijoroana ara-panjakana ny F.J.K.M. Tatyaoriana kely, tamin'ny fotoana naha minisitry ny atitany ny KolonelyRatsimandrava indray vao azo izany.

————————————————
TEBITEBY

Voronkely anaty akany,taitran-javatra nandalo:
Toa hahazo fitahiana, toa hosendra fahavalo,
Toa hiravo, toa hijaly : soasy ratsy indray miheby.
Hoatr’izany re ny foko izaynidiran-tebiteby.

Miandry ny orana ho tamy,toa ho sandra ny andro maina
Ka mangetaheta fatratra aoan-tany karankaina.
Miandry ny andro maina kosa,toa ho orana mandriaka;
Manantena hafanana, toa hosendra ny hatsiaka.

Eo am-piandrasana eo noahitany fa indreny
Misy vorona "fambara",nefasamihafa teny;
Ka ny iray, milaza soa (diany fanirian-tontosa);
Nefa re ny faharoa diamanambara loza kosa.

Foko ilay mitady vonjy, zazavery miantso ray,
Ka mandre mirodorodo vaomitsangam-bolo indray.
Toy ny namana marary,miandry tenin-dokotera,
Ka ny tokiko mijoro noatahorako hianjera.

Eny, f’izy ihany koa ilaynahazo fiampangana,
Ka tsaraina, ary izao diamiandry didim-pitsarana,
Toy ny sambo saron-javonamiezaka tsy miato:
Toa ho sendra fitodiana, toaho tojo haram-bato.

Dia midobodobo-dava ao anatytratrako ao,
Raha tsindriana mba hanginadia vao mainka koa manao;
Nony asaiko manatena, tsymba mety-Asa lahy!
Fa mandroso tebiteby symitombo ahiahy!

Jean Narivony, 1927
In "Fary Mamy kilasy fahatelo", tak 74

————————————————
AMPAMOIZAMASO

Tsy mba afaka ao an-tsaikoilay havoana,
'Lay fihoarana, 'lay tanyfisentoana;
Eo no fara-fitsinjovanaan'iarivo,
Eo ny dobon-dranomaso diamarivo.

Eo ny fo mitebitebin'alahelo,
Ny eritreritra mandehamamelovelo;
Eo ny sento dia miloatra katsy tana
raha mitazana ny tanynialana.

Eny am-paravodilanitra eny,indro,
Toa havoana rakotr'alamikirindro,
Elo rahona no eny mitatao,
Mahamalomaloka azy toy izao.

Mitampody indray ny lasa fatsaroana,
Ka ny havana toa hitamanoloana;
'Ndray miserana eo izany —toa ankaso
'Zay mitrangahampirotsa-dranomaso!

Vetivety dia atao nyfara-jery,
'Zay no fara-topimaso, hanyhery;
Kanjo safotra izy mantsy kamijoy,
Fa "hilaozana tokoa ilay tsyfoy!"

O! ry vohitro malala, ryakany,
E! mamoy anao ny maso katomany,
fa ny foko raha sahiranahandao,
Dia vao mainka koa mifatotraaminao.

Jean Narivony
In "Amboara voafantina", tak 143-144

————————————————
RAJAKOM-BAZAHA

Jereo ity Rajako fa hoe lasaambony
Ka tsy mba miharo amin' nynamany intsony;
Niofo ka tonga Vazaha lehibe
Fa efa mandroso, nasivilize!
Nomem-pataloha sysatro-baonetra,
akanjo jaby na didy jaketra;
Ny salotra anatinyasiam-pehitenda
Sy kaolina henjana milahahakenda.
Mahazo latabatrafisakafoana,
Mampidin-divay ho ranosotroina,
Mifoka sigara rehefa mbavoky,
Mamela-gazety, manokatraboky,
Mivimbina tehina nonymamindra,
Manao solomaso ka fatratraindrindra.
Dia jenitra i Jako fa "tsaratarehy";
Ataony ho dera ny akora syny hehy!
Ny tompony izany dia modymandoka
Kanefa ao anatiny diamanafoka!

Mba inona isika izay befakan-tahaka,
Mangilatra ivelany toavoronkahaka?
Fiteny sy fomba nadikaavokoa
Fa ny an' nytena..."valalan'amboa!"
- Aleoko manandratra izaynentin-drazana
Na dia mavomavo sy vitsympitazana,
Toy izay kevokevoka marompizaha
Kanefa fosaina:Rajakom-bazaha!

Jean Narivony (1898-1980)
In "Tononkalo sy Lahatsoratra, Amboara 2, Boky 1", tak 7

————————————————
NY DIAKO

Ny tany ialako diafahambaniana,
Tanin'ny sento fa befahoriana;
Ao no manjaka ny fahadalana:
Hiainga mihitsy aho fa tsytamana.

Ny lalana hombako dia lalanasarotra,
Nefa ekeko tsy misyadi-varotra;
Aoka santionany roa nohatranga:
Fo te-hiliba sy Toetra tsymanga.

Mora fantarina ireo famazàna,
Lala-mamiratra sy migodana
Ary ny vatsy ataokoam-babena,
Dia ny Fahaizana syFahendrena.

Be fahavalo ny lalako anefa,
Fantatro ihany fa ataokomilefa,
Isan'ireny fa tsy maintsyhiadiana:
Fahakamoana sy fahakiviana.

Aoka izay ho avy tsy hataomampimalo,
Fomban'ny osa zareo nymivalo;
Sabatra tsara no entikomiady:
Sabatry ny asa - Voatsoakasahady.

Bala mifafy! Avela hifafy;
Maro mpialona, be koa nyrafy,
Manana ampinga aho ka tsymiraika:
Fahamarinana sahy mihaika.

Sao dia marary anie aho katsy tody?
- Tsia, fa voaomana ireofanafody;
Ireo fahoriana sy izayfahantrana,
Samy voasitran'nyFanantenana.

Roso mba ho aiza ny diakoary moa?
- Ho amin'ny toerana feno nysoa,
Toera-misandratra:Fahamboniana.
Be voninahitra tsyhotsinina.

Ao no hahitako nyFahasambarana
Ho avy hitsena, hamohavaravarana;
Ho amin'ny lapan'nyfiadanana.
Ho any ny diako ka tsy azosakanana.

Na ho tafita aho na tsytafita,
Faly mihitsy rehefa mahita
Fa efa mihoatra ny toeranaambany,
"Maty mandroso", ho mamikoizany.

Jean Narivony
In "Lahatsoratra Voafantina", tak 4




(1) Tsy tena mitovy amin'ny fanazavan'ny zafikeliny iray ityfanambaran'ny zafiafiny ity.

Fantaro i Jean Narivony (2024)
Top Articles
Latest Posts
Article information

Author: Carlyn Walter

Last Updated:

Views: 6374

Rating: 5 / 5 (70 voted)

Reviews: 85% of readers found this page helpful

Author information

Name: Carlyn Walter

Birthday: 1996-01-03

Address: Suite 452 40815 Denyse Extensions, Sengermouth, OR 42374

Phone: +8501809515404

Job: Manufacturing Technician

Hobby: Table tennis, Archery, Vacation, Metal detecting, Yo-yoing, Crocheting, Creative writing

Introduction: My name is Carlyn Walter, I am a lively, glamorous, healthy, clean, powerful, calm, combative person who loves writing and wants to share my knowledge and understanding with you.